4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy miova - Rija Ramanantoanina

Mitanisanisa ny lasa eo aho,

Dia mamisavisa ireo fahiny,

Izaho sy ianao, ilay izaho sy ianao.

Taona folo mantsy izay no lasa,

Toa tsy hitahita dia nandao,

F’ianao mbola io, tsy miova fa io.



Miovaova loko teny ny andro,

Tao ny manga maro koa ny mainty,

Fa ny endrikao, tsy noravain’ireo,

Ilay ianao, sy ny fitiavanao,

Tsy mba simbasimba foanan’ireo,

Tsy kivy tsy ketraka.



Tsy mba vitsy f’efa maromaro,

Ireo fanirianao miandry andraso,

Nandalo koa, ny tsy misy indraindray,

Taona folo mantsy izay no lasa,

Mbola be ireo izay nokinasa,

No miandry eo, eo anilanao eo.



Fa ianao, tsy niova fitia,

Fa ianao, tsy niova satria,

Mbola mino ianao, fa ilay firiavana,

Mbola hitondra indray,

Hitondra hasambarana.

Partager tsy miova

Commenter tsy miova

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rija Ramanantoanina

Suite